Rivo-doza EMNATI

Fokontany nitondra faisana tamin’ny fandalovan’ilay rivo-doza EMNATI teo ny fokontany Amboanio sy Andranomakoko faritra Andranomanganahana.


06 Martsa 2022: Tonga nijery ifotony ireo olona mipetraka ao anatin’ireo fokontany ireo ny minisitra mpiahy Ramatoa Gisèle RANAMPY ka nitafa mivantana, nankahery sy nihaino ny hetahetan’izy ireo.


Nisy ny fanomezana manokana avy amin’ny minisitry ny Asa ny Fampanan’asa ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy natolotra mba ho fanampiana azy ireo.