FANJAKANA MANAKAIKY VAHOAKA : fitsidihana ifotony Faritra BONGOLAVA

⭐️Araka ny filamatry ny « Fanjakana manakaiky vahoaka » dia nanao fitsidihana ifotony teo anivon’ny Faritra Bongolava, omaly zoma 5 jolay, ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana, Ramatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana.

⚡️Tanjona voalohany tamin’izany ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tetik’asan’ny Minisitera momba ny fanavaozana ny fitantanana ny loharanon-karena araka olona eo anivon’ny Asampanjakana. Araka ny fantatra dia hiditra amin’ny dingana fitsinjarana, ara-drariny sy araka ny hitsiny, ireo mpiasam-panjakana isaky ny Minisitera samihafa ity tetik’asa ity ankehitriny.

💥Ankoatr’izany dia nisy ihany koa ny fihaonana sy dinidinika notanterahin’ny delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana, niarahana tamin’ny Governoran’ny Faritra Bongolava sy ireo tompon’andraikim-panjakana ambony any an-toerana.
🔥Araka ny filamitry ny « Dinika sosialy ho famahana olana » dia nandroso vahaolana hatrany Ramatoa Minisitra RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, manoloana ireo ambana sy fahasarotana isankarazany hita sy mihatra amin’ny fiainana andavanandro.

✨Fotoana ahafahan’ny tompon’andraikitra sy mpitantana eo anivon’ny Minisitera foibe sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny rantsamangaika isan-tokony mifandray sy mifampizara ny fitsidihana ifotony tahaka izao.