CAFRAD/FIVORIANA FAHA-59

Nanomboka ny talata 9 jolay tao Rabat (Maroc) ny fivoriana isan-taona fanaon’ny Filan-kevim-pitantanana eo anivon’ny ny Centre Africain de formation et de recherche administratives (CAFRAD).

Nizara roa mazava tsara ny fivoriana. Ny tapak’andro maraina no nanatontonsana ny fivorian’ny Filan-kevitra mpanatanteraka izay nandraisan’i Madagasikara anjara sy firenena mpikambana vitsivitsy. I Madagasikara moa dia mpikambana feno ao amin’ity Filan-kevitra ity, araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriana andiany faha-58 tamin’ny taona 2023.

Ny fivorian’ny Filan-kevim-pitantanana izay ahitana ireo firenena rehetra mpikambana kosa dia notanterahina omaly tolak’andro. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny delegasiona malagasy notarihin-dRamatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana.

Niseho tamin’ny endrika fandrosoana tolo-kevitra avy Fitondrampanjakana malagasy moa izany fandraisana anjara izany. Marihina fa nanotrona an-dRamatoa Minisitra ny Talen’ny Fanavaozana ny Asampanjakana eto anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana.

Anisan’ireo lahadinika tamin’izany ny fankatoavana ny teti-bolan’ny CAFRAD enti-miasa nandritra ny fe-potoana 2024-2025. Teo ihany koa ny fandraisana anjara ara-bola ho an’ireo firenena mpikambana izay andry iankinan’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ity Ivotoerana ity. Tontosa teto ihany koa ny fifidianana ny Tale Jeneraly vaovao hitantana ny CAFRAD.

Tsara ihany koa ny manamarika fa ny fanapahan-kevitra rehetra dia noraisina teo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra mandrafitra ny CAFARD avokoa.

Maro ireo tombontsoa hositrahan’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fanavaozana ny asam-panjakana noho ny fisian’ity Ivotoerana iraisana aty Afrika ity.