MTEFOP / ENAM/ Tetik’asa Rindra- USAID/PNUD
𝐅anombohana amin’ny fomba ofisialy ny fampiofanana mifindra toerana eto amin’ny faritra Analamanga
Atrik’asa izay nosokafan’Andriamatoa Talen’ny Kabinetran’ny Ministera nisolotena andRamatoa Hanitra Fitiavana Razakaboana Minisitry ny Asa ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana izay nanambarany ny hafatra avy amin’ny Ramatoa Minisitra ny mahazavadehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitantanana ifotony amin’ny tamberin’andraikitra, ny fahombiazana ary ny fandraisana andraikitra amin’ny olom-pirenena.
Marihina moa fa ny fotokevitr’izao fampiofanana izao dia mahakasika ny fitantanana tetik’asa( Gestion de Projet) ary Fitantanana mifototra amin’ny Vokatra ( Gestion axé sur le résultat) izay manomboka ny 01 Jolay hatramin’ny 5 Jolay 2024.
Ny tanjon’izao fampiofanana izao dia hanatsaràna ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra avy amin’ny Ministèra isatsokajiny sy ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana eto amin’ny faritra Analamanga.
Ny fanaovana izao fampiofanana izao dia ahafahana ihany koa mametraka ny olona amin’izay asa tokony sahaza azy raha ny tanjona tamin’ny Fanavaozana ny Fitantanana ny mahaolona eo anivon’ny Asam-panjakana (restructuration des ressources humaines de l’Etat) izay natomboka ny 31 janoary 2024 lasa teo.
Tsara ny manamarika fa fiarahamiasa amin’ny Tetik’asa Rindra izay Fandaharan’asan’ny Fanjakana Malagasy vatsian’ny USAID, ary ny PNUD no manatanteraka ity atrik’asa fanatsàrana ny Fahaiza-manao ity.