Orin’asa BOA : MPIASA 87 NAHAZO MARI-BONINAHITRA
Lanonam-pankalazana ny faha-40 taonan’ny orin’asa BOA, androany 17 Febroary teny amin’ny CCI Ivato. Nanotrona izany Ramatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, amin’ny maha-Minisitry mpiahy ny sehatry ny asa azy.
Nomarihana manokana tamin’ny fizarana mari-boninahitra ho an’ny mpiasa mendrika eo anivon’ny orin’asa ny fotoam-pankalazana. Midika fandraharahana mahomby ho an’ny orin’asa ny fahafahana mampivelatra kokoa ny sehatry ny maha-olona, amin’ny endrika rehetra mety isehoan’izany.
Mpiasa 87 mpandray anjara mavitrika amin’ny fampahombiazana ny fandraharahana eo anivon’ny orin’asa BOA, araka izany, no notolorana mari-boninahitra ho tambin’ny fahamendrehana arak’asa nasehon’izy ireo hatrizay.













