FANDRAHARAHANA SY FAMPANANAN’ASA NY TANORA: TOROLALANA SY TANTSOROKA ARY ZARA TRAIK’EFA

Fanambin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana, ao anatin’ny fe-potoana « 100 andro » napetraky ny Filohampirenena, ny fitsinjovana ny tanora liam-pivoarana takian’ny vanin’andro ankehitriny. Vonona ny Minisitera sy ireo mpiara-miombona antoka aminy handray ny andraikitra tandrify ; satria mahatoky fa manana tanora vanona, afaka manaja ireo soatoavina vaovao ho fanamafisana orina ny fampandrosoana, araka ny Vinan’ny Fitondrampanjakana.

« Tanora manodidina ny efatra arivo sy enina alina sy iray hetsy (164 000) manerana ny Nosy no hisitraka an’ity hetsika hotontosain’ny Minisitera ao anatin’ny 100 andro voalohany ity. Hetsika fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana, fanomezana torolàlana arak’ asa ho an’ny tanora malagasy ». Ampaham-panazavana avy amin-dRamatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana, nandritra ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika « Appui à la création d’emplois décents, à l’orientation et à l’insertion professionnelle des jeunes et des sans emploi », androany Sabotsy 17 Febroary tao amin’ny sekoly Sainte Famille Mahamasina.

Tanora 500 isan-kerinandro isaky ny Faritra 23 no kendrena hisitraka tombontsoa mandritra ny dingana voalohany amin’ny hetsika ity. Re nandritra ireo kabary nifandimbiasana tao anatin’ny fandaharam-potoana ny fifanomezan-toky sy fifanoloran-tànana avy amin’ny mpisehatra sy mpiara-miombona antoka rehetra, ho fanatrarana ny tanjon’ny « Asa mendrika » ho an’ny besinimaro.

Marihina fa fanamarihana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika no notanterahina androany teto an-drenivohitra. Satria eny anivon’ny Faritra hafa dia efa nialoha làlana, roa herinandro lasa, amin’ny fanomezana torolàlana sy tantsoroka ary zara traik’efa mifanentana amin’ny filàn’ny tanora.