Asa mendrika ho an’ny rehetra

FIAHIANA ARA-TSOSIALY HO AN’NY MPIASA TENA

Atrik’asa fampiharana ny tetik’asam-panjakana momba ny fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tena, no tanterahina ny tontolo andron’ny Alarobia 7 Febroary etsy amin’ny foiben’ny CNaPS (Ampefiloha). Raha tsiahivina dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tondro-zotra momba ity ezaka fanitarana ity izay nankatoavina teo anivon’ny Governemanta ny volana Desambra 2023 ny hetsika natao androany.

Amin’ny maha-Minisitra mpiahy azy dia tonga nanokatra amin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa Ramatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana. Teknisianina sy manam-pahaizana manokana amin’ny resaka fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa, avy eto amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana sy ny CNaPS, no mifandinika ka hanoritsoritra ny lalan-kombana amin’ny fanatrarana ity tanjona fanitarana ireo mpisitraka fiahiana sosialy ity.
Fantatra nandritra ny lanonam-panokafana fa ny Faritra Vakinankaratra no isantarana ny fanatanterahana ny tetik’asa. Hisy, araka izany, hetsika fampahafantarana sy fanentanana hatao ao Antsirabe ny 22 sy 23 Febroary ho avy. Kendrena manokana amin’izany ireo mpiasa mifototra amin’ny sehatry fambolena sy fiompiana izay fantatra fa tsy manana fidiram-bola raikitra tahaka ny mpiasa mandray karama, mba hirona kokoa amin’ny fitsinjovana ny hoavy.

Marihina hatrany fa mifanindran-dalana amin’ny vinan’ny Filohampirenenana momba ny fampiroboroboana ny maha-olona ity tetik’asa tanterahin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana sy mpiara-miombona antoka hafa ity.