OMENA VAHANA NY DINIKA SOSIALY MAROLAFY
Nandray ireo solotenanan’ireo Sendikan’ny mpiasa avy amin’ny sehatra tsy miankina Rtoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana, RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, androany Talata 23 Janoary misandratr’andro.

Ny marimarina kokoa dia Rtoa Minisitra no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana arak’asa nifanarahan’ny Minisitera amin’ny alalan’ireo Fitaleavana miantsoroka ny tanjon’ny « Asa mendrika » ho an’ny rehetra sy ireo Sendika, hatao androany.

Teo am-panombohana àry dia nomarihin-dRtoa Minisitra manokana ny fikajiana sy fanomezana vahana ny lalantsain’ny dinika sosialy (dialogue social) eo amin’ny famahana ireo olana arak’asa isankarazany mety hitranga.

Tokony voasolo-tena sy handray anjara indrindra ihany koa amin’io dinika sosialy ireo hery velona sy mpisehatra rehetra voakasiky ny fampivoarana ny tontolon’ny asa, hoy hatrany Rtoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana.

Teo am-pamaranana ny lahateny fohy nataony dia nanafatra tamin’ireo mpivory Rtoa Minisitra ny amin’ny hanaovana vaindohan-draharaha ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hirona mankany fanovana tiany hapetraka…