JERY TODIKY NY FANOMBOHANA
FIJERY MIABO HO AN’NY FANOVANA
☀️Tsara fiantomboka ity herinandro mivalona ity ho an’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana. Ny tolak’andron’ny Alatsinainy 15 Janoary, iray andro taorian’ny fananganana ny Governemanta vaovao, dia notanterahina ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Minisitra vaovao sy taloha, Rtoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana sy Atoa RIVOTIANA Jean Bosco.
👉Ny andro manaraka kosa dia nisesy ny fihaonana am-panajana ombam-piarahabana sy firarian-tsoa noraisin-dRtoa Minisitra tao amin’ny toeram-piasany. Ankoatr’izany ny fanatrehana ireo Filankevitry ny Minisitra sy ny Governemanta, mba hitondran’ny Minisitra ankehitriny, RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, ny feon’ny Minisitera eo anivon’ny fitantanan-draharaham-pirenena, natao ny ivon’ny herinandro.
💥Ny Alakamisy 18 Janoary no nanatanteraka fidinana ifotony tamina orin’asa manana olana amin’ny mpiasa Rtoa Minisitra. Asa avy hatrany ary vokatra maika sy azo tsapain-tanana, araka izany, no anisan’ny nisantaran-dRtoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana ny fitantanana ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana.
🙏Nisy ihany koa, nandritra ity herinandro voalohany ity, ireo fanasana arak’asa samihafa avy amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka amin’ny Minisitera, mivantana na an-kolaka, izay natrehan-dRtoa Minisitra.
🎯Ny Alatsinainy 22 Janoary ho avy kosa dia hitarika ny fananganana ny sainam-pirenena mahazatra Rtoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana. Entaniny, araka izany, ny mpiasan’ny Minisitera ho tonga maro sy handray am-panajana ny Minisitra vaovao.