Nandray ireo solotena avy amin’ny orin’asa Ambatovy Rtoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana, androany Alatsinainy 22 Janoary taorian’ny fivorian’ny mpikambana ao amin’ny « Staff technique » izay notarihiny.
Ireto vahiny moa izay tonga nanatanteraka izao fihaonana am-panajana izao ho an-dRtoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana taorian’ny fanendrena azy ho mpikamba ao amin’ny Governemanta vaovao.
Anisan’ny mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka mahazatra amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana nandritra ny taona maro; koa antenaina ny fitohizan’izany fiaraha-misalahy izany ho fanatrarana ireo tanjona iraisana.