ENAM – MTEFP FAMPIHOFANANA MITOHY

Androany 19 Janoary no niditra tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana eo anivon’ny Fampiofanana mitohy ao amin’ny ENAM (Formation continue), andiany faha-VII.

Tonga nanokatra sy nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny taom-pianarana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, Ramatoa Hanitra Fitiavana RAZAKABOANA, sy ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta no sady Filohan’ny Filankevim-pitantanana eo anivon’ny ENAM, Atoa RAKOTOARISOA Miadantsata Indriamanga, ary ireo mpampihofanana maro ao amin’ity Sekoly ambony ity.

Araka ny nambaran-dRamatoa Minisitra dia » manana ny maha-izy azy ity sekoly mpampiofana ho mpiasam-panjakana ambony ity, ary izany indrindra no anomezana famporisihana sy tso-drano ho anareo mba hitondra fampandrosoana ho an’ny Firenena « . Nampatsiahivina’Atoa Seketera Jeneralin’ny Governemanta ho an’ireto mpiofana ireto ireo laharam-pahamehana telo goavana ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, dia ny Fijerena ny maha-olona, ny Famokarana, ary ny Ady amin’ny kolikoly.

Marihana manokana etoana fa miisa 134 miandahy ireto mpihofana andiany faha VII ireto izay mizara ao anatin’ny lalam-piofanana miisa 4 (AF-AP-DRI-TIC) .