Minisitra RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana – Fidinana ifotony

VAHAOLANA HAINGANA SY MAHARITRA HO AN’NY FAMPIROBOROBOANA NY MAHA-OLONA

Asa sy vokatra mivaingana avy hatrany no nisantaran-Rtoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana ny adidy sy andraikitra lehibe nankinin’ny Fanjakana aminy, amin’ny maha-Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asampanjakana ny tenany.

Nisy araka izany ny fidinana ifotony nataony androany Alakamisy 18 Janoary tamina orin’asa iray eny amin’ny faritra Ivato iny, izay manana olana tokony hovahana haingana eo amin’ny mpampiasa sy ireo mpiasa.
Mpiasa manodidina ny 700 no tsy nahazo ny karama ara-dalana,
misy amin’ireto farany moa no mitaraina fatratra noho ny tsy fandraisan’izy ireo ny karama ny volana Desambra 2023. Tsy vitan’izany fa mbola niharan’ny fandroahana mihoa-pefy ihany koa ny mpiasa miisa isa40 tao amin’ity orinasa ity, araka ny fanazavan’ny solotenan’izy ireo raha nihaona tamin-Rtoa Minisitra sy delegasiona nanatanteraka izao fanaraha-maso ifotony izao.
Hentitra dia hentitra tokoa Rtoa Minisitra manoloana ny zava-misy mihatra eo anivon’ity orin’asa mpanao akanjo ity. Fanapahan-kevitra avy hatrany no noraisiny, araka izany, ny amin’ny tsy maintsy hanajan’ny tompon’ny orin’asa ny zon’ireo mpiasa voahilika. Tsy inona izany fa ny hanefan’ireto farany ny karaman’ny mpiasa tsy misy hatak’andro.

Nanararaotra ity fotoana ity ihany koa ny teknisianina avy amin’ny Minisitera hanara-maso ireo teratany vahiny miasa amin’io orin’asa io ihany. Tsikaritra ary fa dia misy tsy fahatomombanana ny anton-taratasin’ireo mpiasa vahiny ireo, ka tokony hihatra amin’izy ireo ny lalàna manan-kery eto an-toerana.

Mifanindran-dalana tokoa amin’ny Vinan’ny Filohampirenena mahakasika ny fampiroboroboana ny maha-olona izao hetsika ataon’ny Minisitera tarihin-Rtoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana izao.

Hitohy hatrany, araka izany, ny hetsika famongorana ireo tsy fanarahan-dalàna isankarazany eo amin’ny sehatry ny Asa, hoy Rtoa Minisitra, amin’ny maha-tany tan-dalàna an’i Madagasikara.