MTEFPLS/EDUGASCAR
TOSIKA HO AN’NY FAHAIZA-MANDRAHARAHA
Fanatevenana ny fahaiza-mandraharaha. Ho an’ny tanora an-dalam-pidirana amin’ny sehatry ny asa, ary indrindra ho an’ireo tantsaha (mpamboly sy mpiompy) mila izany traik’efa izany ho fanamafisana orina ny fiveloman-tena.
Tanjon’ny fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampihofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao (Direction de la Formation Continue et du Renforcement des Capacités) sy ny fikambanana tsy miankina « Edugascar » izay miorim-paka any Ambatondrazaka (Faritra Alaotra-Mangoro).
Araka izany dia ireo tanora sy tantsaha any amin’ity Faritra ity no mpahazo tombontsoa voalohany amin’izao fiaraha-miasa izao. Hiseho amin’ny endrika fampihofanana ireto farany momba ny fitantanana mahomby ny asa atao ny fiaraha-miasa, izay hanomboka ny faran’ny volana Novambra izao.
Teknisianina avy amin’ny Minisitera sy manam-pahaizana manokana amin’ny tontolon’ny fandraharahana no handray an-tànana ny fampihofanana, izay haharitra andro vitsivitsy ao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra-Mangoro.