ENAM/UGD : FIARAHA-MIASA HO FANAVAOZANA NY ASAMPANJAKANA
Fanavaozana sy fihavoazan’ny Asampanjakana, hifanojo amin’ny fenitra ara-teknolojika takian’ny vaninandro ankehitriny. Tanjon’ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina androany Zoma 13 Oktobra, teo amin’ny Sekoly ambony ENAM (Ecole Nationale d’Administration de Madagascar) sy ny UGD (Unité de Gouvernance Digitale) eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
Nisolo tena an’Atoa RIVOTIANA Jean Bosco, Minisitra mpiahy ny Sekoly, Atoa Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, nandritra ny lanonana ofisialy notanterahina teny ny foiben-toeran’ny ENAM Androhibe.