SATAN’NY MPIASAM-PANJAKANA FAMERENANA NY « INTEGRATION »
« Nody ventiny ny rano nantsakaina ». Vinan’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, taorian’ny fanavaozana ny Governemanta natao farany, ny famerenana ny fandraisana mpiasam-panjakana raikitra amin’ny alalan’ny « intégration ». Tanteraka izany ankehitriny ka nomarihina tamin’ny fomba ofisialy, omaly 4 Oktobra, ny fanombohan’ny asa mifandraika mivantana amin’izany.
Lanonana tsotra nefa manan-danja tokoa, na ho an’ny Minisitera mpiahy roa tonta (Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy sy ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Vola) na ho an’ireo mpisitraka ihany koa, no nanamarihina ny fotoana.
Birao ifotony na « guichet unique » iombonan’ireo Sampandraharaha samihafa voakasika, natsangana eto amin’ny foiben’ny Minisitera (67Ha), no hanatontosa ny asa mifandraika indrindra amin’izay lafiny « intégration » izay.
Nisy moa ny fitsidihan’ireo Minisitra roa tonta ity toerana ity, ho fampahafantarana ny besinimaro izao zava-bitan’ny Fitondrana izao sy ho fankaherezana ireo Sampandraharaha hamita ny asa amin’ity dingana voalohany ity…