VINAN’NY ASA MENDRIKA / TOPIMASO HO AN’NY OLONA MANANA FAHASEMBANANA
Fivondronan’ireo olona miaina anaty fahasembanana sy ny tontolon’ny asa. Vontoatin’ny « Forum Handicap/Emploi » andiany voalohany, hotanterahina ny andron’ny 28 Septambra 2023 ao amin’ny Lapan’ny Tanan’Antananarivo-Renivohitra.
Sehatra maro, miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana, no ho tonga hanatevin-daharana ity hetsika ity mba hijerena sy hitsinjovana manokana ireo olona manana fahasembanana eo amin’ny lafin’ny zo na fampitovian-jo ny sehatra manoloana ny fitantanana arak’asa.
Anisan’ny mpandray anjara amin’izany ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, amin’ny alalan’ny Fitaleavana ankapobeny misahana ny fampiroboroboana ny Fampananan’asa (DGPE).