LALAON’NY NOSY/TSIPY KANETIBE VOKATRA MAHAVELOM-BOLA HO AN’NY EKIPAM-PIRENENA
Nananika ny dingana famaranana nanomboka omaly Alarobia 30 Aogositra ny taranja tsipy kanetibe ifaninanana mandritra ny Lalaon’ny Nosy. Eny amin’ny Complexe sportif CNaPS Vontovorona moa no tanterahina ny fifaninanana, ka mahavelom-bolo tokoa ny vokatra azon’ny ekipam-pirenana malagasy hatreto.
Koa satria mpiahy mivantana ity taranja ity ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, dia tonga teny an-toerana omaly ny Minisitra RIVOTIANA Jean Bosco nanotrona ireo mpilalao miaro ny fahamendreham-pirenena malagasy. Ankoatr’izany dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fanolorana medaly ho an’ireo mpandresy tamin’ny fifaninana natao omaly Atoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy.
Toy izao kosa ny tatitry ny vokatra azon’ny ekipam-pirenena taorian’ny lalao natao omaly. Medaly volamena telo (3), medaly volafotsy roa (2) ary medaly alimo telo (3). Hitohy androany moa ny fifaninanana, ka handray anjara amin’izany i Donald izay mpilalao avy eto amin’ny Minisitera voafantina ho isan’ny ekipam-pirenena…

















