FIDINANAN’NY MINISITRA IFOTONY TANY AMIN’NY FARITRA MENABE

Tontosa soa aman-tsara ny fihaonana tany amin’ny Faritra MENABE nokarakarain’ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy. Ny Alakamisy 20 Jolay tao Miandrivazo ary Zoma 21 tao Morondava no nanatanterahana izany, ka ny Minisitra RIVOTIANA Jean Bosco no nitarika ny delegasiona avy aty amin’ny Minisitera faobe izay nahitana teknisianina momba ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Nasaina manokana hanatrika ny fihaonana ireo mpiasam-panjakana, mpiasa sy mpampiasa tsy miankina, Ben’ny Tanàna, Sefom-pokontany ary ireo Olobe isan-tokony avy amin’ny Faritra. Lahadinika sy vontoatin-dresaka nandritra ireo fihaonana roa nifanesy ny fampahatsiahivana sy fanentanana ny fanajana ireo lalàna samihafa momba ny Asampanjakana, ny fampiharana hatrany ifotony ny rindrambaiko AUGURE ary ny fanazavana misimisy kokoa momba ny Lalàna mifehy ny asa.
Ankoatr’izany dia nitondra ny hafatra avy amin’ny Fitondrampanjakana faobe ihany koa Atoa Minisitra, manoloana indrindra izao vanim-potoana an-katoky ny fifidianana izao. Zava-dehibe tokoa ho an’ny mpiasam-panjakana isan’ambaratongany, araka ny nambarany nandritra ny fihaonana, ny fanajana sy fankatoavana ny fitsipi-pitondran-tena mifehy ny Asampanjakana na « Ethique et Déontologie ».
Natao moa izao hetsika izao ho tosika sy fanoitra amin’ny fanatanterahana ny Velirano 6 (Asa mendrika ho an’ny rehetra), eto anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy.
Tsiahivina hatrany fa tamin’ny Sabotsy 22 teo no nankalazaina tany an-drenivohitry ny Faritra MENABE ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona. Taorian’ny lanonam-pakalazana ofisialy dia nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny OSIEM ny delegasiona avy aty an-drenivohitra.
Tsy adino ary tsy nataon’Atoa Minisitra ambanin-javatra ihany koa ny tafa sy dinika niarahana tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Fitaleavamparitry ny Minisitera sy ny fitsidihana ny birao manara-penitra vaovao ho an’ity farany, nandritra ity fidinana ifotony tany amin’ny Faritra MENABE ity