MTEFPLS – DGPE/DPPMPAE

Nifarana anio 12 Jolay ny fifanaraham-piarahamiasa teo @ Ivotoerana Nasionaly misahana ny Fizahantany sy ny Fampisakafoanana (INTH) sy ny Ministeran’ny Asa ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana Ary ny Lalana Sosialy @ alalan’ny Fitaleavana misahana ny Famporisihana ho Matihanina ireo Asa Madinika sy ny Fampiroboroboana ny Asa-tena (DPPMPAE).

Taorian’ny Fampiofanana momban’ny Lalana mifehy ny Asa ireo mpianatra sokajy fahatelo filière « entrepreneuriat « ; dia nitohy ary nifarana anio izany ka mahakasika indrindra ny Fampiroboroboana ny mahaolona sy ny fanomezan-danja ny fifandraisana @ mpiaramiasa mba hisian’ny fandriampahalemana ara-tsosialy no novelabelarina hoazy ireo.

Natao izao fifanaraham-piarahamiasa izao mba hisian’ny Asa Mendrika Hoan’ny be sy ny maro.