ANDRON’NY FAHAIZA-MANAON’NY TANORA
TOROHEVITRA SY TOROHAY AVY AMIN’NY MINISITERA MPIAHY
Higadona andro vitsy ny 15 Jolay, Andro iraisampirenena ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora. Hankalazaina eto an-toerana izany mandritra ny roa andro (14 sy 15), eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Tompomarika maventy amin’ny fankalazana ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, ny Vondrona iraisampirenena momban’ny Asa (OIT) miaraka amin’ny « Entreprendre à Madagascar » Ary ireo fikambanana maromaro misahana ny Tanora.
Ireto farany izay nifamotoana tamin’ny mpanao gazety sy mpampahalala vaovao samihafa, androany 11 Jolay teny amin’ny Foiben-toeran’ny Firenena Mikambana (Andraharo), ho fanamafisana ny serasera ombam-pandresen-dahatra ny amin’ny maha-zava-dehibe sy manan-danja ny fanamarihana tahaka izao.
Hafatry ny mpikarakara dia ny fanatrarana hatrany ny tanjon’ny « Asa mendrika » ho an’ny besinimaro; kanefa mila ny fandraisana anjara avy amin’ny maro an’isa vao tanteraka izany…









