« ANDRO IRAISAMPIRENENA HOAN’NY FAHAIZA-MANAON’NY TANORA »

Ankalazaina mandritra ny roa andro (androany sy rahampitso 15 Jolay) ao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonam-pakalazana ny delegasiona avy amin’ny Governemanta notarihin’Atoa Praiminisitra, niaraka tamin’Atoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy.

Araka ny Velirano faha-6 napetraky ny Filohan’ny Repoblika, « Asa mendrika ho an’ny rehetra”, dia natao izao ho fikaonan-doha sy fifanakalozana amin’ny fizàrana asa hampivelatra kokoa ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa. Nambaran’Atoa Praiminisitra, araka ny fijerin’ny Filoha hatrany, fa hanamora ny fampandrosoana ny fampiasana ny fahaizan’ireo tanora eo anivon’ny fiarahamonina.

Ilaina anefa, hoy hatrany ny Lehiben’ny Governemanta, ny fifandrifian’ny fanofanana/fiofanana sy ny asa hatao (adéquation formation/emploi) mba hahafahan’ny tanora mamaly ny zavatra takiana eo amin’ny sehatry ny asa sy ny toe-karena amin’ny ankapobeny ; indrindra ho an’ireo orin’asa mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina.

Amin’ny maha-mpiara-miombon’antoka ny Departemanta tarihiny dia notsindrian’Atoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, RIVOTIANA Jean Bosco, fa tanjon’ny Minisitera sy ireo mpiara-mihazakazaka aminy mandritra izao fankalazana izao ny hisava làlana ireo tanora amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa.

Ka anisan’ny paik’ady mahomby hiatrehana izany ny fandalovana fizàrana asa, izay fomba iray ahafahan’ireo tanora mampiseho na manasongadina mihitsy aza ny fahaiza-manao ananan’izy ireo eo anatrehan’ny mpampiasa…