TETIK’ASA « POLE STAGE »

FAMPIOFANANANA FIZARANA ASA ANDIANY FAHA-DIMY

Fiofanana savaranonando ho an’ireo mpianatry ny Ivotoeram-pianarana ambony samihafa voafantina tao anatin’ny maro hisitraka indray ny tantsoroka avy amin’ny tetik’asa « Pôle Stage ». Ity farany moa, raha tsiahivina, dia voizin’ny Fitaleavana ankapobeny misahana ny fampiroboroboana ny fampananan’asa eto anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy ; ka hiaraha-mientana amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) ny fanatanterahana azy.

Andiany faharoa amin’ity taona 2023 ity amina karazana fanofanana tahaka izao ity nisokafana androany Alatsinainy 10 Jolay teo amin’ny Plan Anosy ity. Maharitra roa andro ny fiofanana homen’ny teknisianina avy amin’ny mpiaramiombonantoka isan-tokony (MTEFPLS, MICC, DHL, BIANCO) ho an’ireto mpianatra hirotsaka amin’ny fizàrana asa ireto. Ramatoa Tale Jeneraly misahana ny Fampiroboroboana ny asa, ny solontenan’Atoa Tale Jeneraly misahana ny Fampiroboroboana ny indostria ary Ramatoa Sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny SIM no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana.

Hatramin’ny niforonany tamin’ny taona 2021, dimy (5) ny fampiofananana mialoha fizàrana asa nokarakarain’ny Fitaleavana misahana ny tantsoroka ho an’ny tanora tsy an’asa eto anivon’ny Minisitera (DAIPJSE). An-jatony, araka izany, ireo mpianatra efa nisitraka tombontsoa, mivantana na ankolaka, avy amin’ny tetik’asa « Pôle Stage »…