MTEFPLS/SEHATRA TSY MIANKINA

TANJONA IRAY:ASA MENDRIKA HO AN’NY MARO AN’ISA

Tanteraka androany 7 Jolay ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny fampiofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao (DFCRC), sy ny « Job’Clé et Formation ».

Ity farany moa dia marihina fa ivotoerana misehatra amin’ny lafiny fampiofanana ho an’ireo izay mila izany alohan’ny hidirana amin’ny tena tontolon’ny asa. Fa ambonin’izany dia manao ny asa-na « agence de placement » ihany koa ny « Job et Formation.

Miompana indrindra amin’ny fanatanterahana fampiofanana sy tombana mifanindran-dalana amin’ny tetik’asa VAM (Vinan’asa Mendrika) moa ity fifanaraham-piaraha-miasa mampifamatotra ny Minisitera amin’ny sehatra tsy miankina ity…