MTEFPLS- DGPE/ DPPMPAE
Notanterahina anio 10 Jolay ihany koa ny fampiofanana ireo mpianatra taona fahatelo filière: « entreprenariat « ao @ Ivotoerana Nasionaly @ sehatry ny Fizahantany sy ny Fampisakafoanana ( INTH Ampefiloha) …
Izany fampiofanana izany dia mahakasika indrindra ny fananganana tetik’asa entina ho Fampiroboroboana ny Asa-tena ary koa ny Lalana mifehy ny Asa.
Izao no tontosa dia nohon’ny fiaraha-miasa matotra teo @ roa tonta, ny INTH andaniny , ary ny Ministeran’ny Asa sy ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana Ary ny Lalana sosialy (MTEFPLS) tamin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny Famporisihana ho matihanina ireo Asa Madinika, sy ny Fampiroboroboana ny Asa-tena (DPPMPAE) kosa teo ankilany.
Ireo Inspecteurs du Travail miasa @ ity fitaleavana ity no manao ny fampiofanana @ izany.
Maro tokoa ireo mpandray anjara tamin’ity andiany voalohany ity izay nahatratra 30 mianadahy izay hita fa mavitrika sy liana tokoa @ tolotra izay omena azy ireo.
Maharitra roa andro ity hetsika fiarahamiasa an’ny DPPMPAE sy ny INTH ity.




