Tolotra fiofanana momba ny maha-olona/Tetikasa V.A.M.(mis à jour le 06 juillet 2023)
Ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampiofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao (DFCRC), dia mizara fiofanana mifanindran-dalana amin’ny fibeazana sy fanabeazana eo amin’ny lafiny maha-olona eo anivon’ny sehatry ny asa.
Misokatra, araka izany, ny fisoratana anarana koa entanina ireo manam-paniriana hanovo na hanatevina fahalalana momba izany hanatona ny toerana voatondro.
Fanampim_baovao mahakasika ny fampiofanana ataon’ny Ministère du Travail de l’Emploi de la Fonction Publique des Lois Sociales amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampiofanana sy ny Fanamafisana ny Fahaizamanao (DFCRC):
– Ny fara-fisoratana anarana dia ny faran’ny volana jolay hoavy izao
– Faharetan’ny fiofanana : Efatra andro
– Misy fampitaovana (support de cours) @ vidiny mirary
– Hisy ny fiantsoana ireo izay nisoratra anarana sy nanatitra dossiers ( Service Régional Emploi Antsahavola immeuble Inspection du Travail / DFCRC- immeuble FOP 67)
– Manomboka @ volana Jolay ny andiany voalohany @ Fampiofanana
