FOTODRAFITRASA FOTOTRA MATSIATRA-AMBONY
Lanonam-panjakana maro sosona, omaly Alakamisy 25 May tao Fianarantsoa, renivohitry ny Faritra Matsiatra-Ambony. Anisan’izany ny fitokanana ny Birao vaovao ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy naorina ao an-tampon-tanàna.
Delegasiona mafonja avy amin’ny Fitondrana faobe notarihin’Atoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, no tonga nanotrona sy nanome lanja ireo lanonana goavana notanterahana tao Fianarantsoa omaly.
Araka ny toromarika, fotodrafitrasa manaja ny fenitry ny fanorenana takiana amin’ny vaninandro ankehitriny no natsangan’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy ho an’ny rantsamangaikany miadidy ny Faritra Matsiatra-Ambony. Torak’izany ihany koa ireo fitaovana enti-miasa isankarazany hita ao amin’ity birao vaovao ity.
Porofo izany fa vonona hatrany ny Fitondrana ankehitriny hanatanteraka ireo Velirano ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Ho an’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy manokana, ny fisitrahana na fampisitrahana zava-baovao tahaka izao dia tosika ho an’ny mpiasam-panjakana ahafahan’izy ireo manome tamberin’andraikitra tandrify ny hetaheta na filàn’ny besinimaro…





















