FILANKEVIM-PITANTANANA CAFRAD
Tontosa ny Alatsinainy 22 May tao Rabat (Maroc) ny fivorian’ny Filankevim-pitantanan’ny CAFRAD na Centre Africain de Formation et de Recherche Administrative. Nandray anjara avokoa ireo firenena rehetra mpikambana ; anisan’izany i Madagasikara tamin’ny alalan’ny delegasiona notarihin’Atoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, RIVOTIANA Jean Bosco.
Nanotrona azy tamin’izany Atoa Talen’ny Kabinetra sy Atoa Tale misahana ny fanavaozana ny Asampanjakana eo anivon’ny Minisitera. Ity farany izay azo ambara ho masoivoho eto an-toerana na « point focal » ho an’ity Ivotoeram-panofanana sy fikarohana ity.
Nialoha ity fotoan-dehibe ity dia nisy ny fivorian’ireo Komity mpanatanteraka isan-tsokajiny. Zavadehibe tokoa ity fihaonana ity satria nahafahan’ireo mpikambana nifampizara traikefa. Nahafahana namaritra, araka izany, ny hoavin’ny CAFRAD sy ny fomba hirosoana lalindalina kokoa eo amin’ny sehatry ny fanavaozana ny Asam-panjakana.
, Teo ihany koa ny mety fanomezana fiofanana ho an’ireo tompon’andraikitra samihafa mba hahafahan’izy ireo mahazo vokatra tsaratsara koa eo amin’ny asany. Ary tsy adino ny fankatoavana ny fitantanana ara-bola nataon’ny birao nandritra ny fe-potoam-piasany.
Marihina fa ny Minisitera marokanina misahana ny fiampitana amin’ny teknolojia vaovao sy ny fanavaozana ny Asampanjakana (Ministère de la Transition Numérique et de la Réforme de l’Administration Publique) no nitarika ity fihaonana faha-58 ho an’ny Filankevim-pitantanan’ny CAFRAD ity.



