AUGURE
👉 Tontosa tao amin’ny efitrano fivorian’ny MTEFPLS ny fivoriana ho fanohizana ireo asa ho fampahombiazana ny AUGURE, izay niarahan’ny MTEFPLS, ny MEF ; ary ny Vondrona Erôpeana.
✅ Nanapa-kevitra ny Vondrona Erôpena, fa ho tohizana ny famatsiam-bola anatin’ny volana vitsy mandra-paha-tongan’ilay famatsiam-bola lehibe izay andrasana amin’ny taona 2024. Ny asa rehetra mbola tsy vita mahakasika ny AUGURE ihany no hampiasana io famatsiam-bola io taorian’ny fahataperan’ny tetik’asa NFD ny taona 2022.
✅ Araka ny tanjon’ny fanjakana Malagasy, dia nitady hevitra ny ministera roa tonta hahatontosa an tsakany sy an-davany ny AUGURE, ka ny mpandray anjara teto dia :
▪ MTEFPLS (Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana Sosialy)
▪ MEF (Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola)
▪ PREA (Programme des Réformes pour l’Efficacité de l’Administration)
▪ Vondrona Erôpeana (Union Eropéenne)