KORANAM-PIRAHALAHIANA TEO AMIN’IREO « INSPECTEURS DE TRAVAIL » SY NY « CONTRÔLEURS DE TRAVAIL »

Notanterahina ny zoma 05 may 2023 lasa teo teny amin’ny INTRA Ivato, ny fiaraha-mifaly niarahan’ireo antokon’asa roa izay misahana ny « ASA » eto Madagasikara, dia ny « Inspecteurs de travail, sy ny Contrôleurs de travail » izany.

👏 Tonga nanotrona izany ny Ministry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana, ny Lalana Sosialy, Andriamatoa RIVOTIANA Jean Bosco. Nasiany tsindrim-peo manokana ny fahatsorana sy ny firaisan-kina eo am-panatanterahana ny asa.

🎂 Taorian’ny fanokafana nataon’ny Minisitra dia nisy ny famonoana omby mifahy, izay natao nofon-kena mitam-pihavanana, nozaraina tamin’ireo mpikambana rehetra sy ireo nanotrona. Nisy ihany koa ny fiaraha-misakafo sy fialana hetaheta, ary fizarana mofomamy ho mariky ny firahalahiana.

👉 Ny zoky amin’ireto ITLS ireto, dia ny Talé Jeneraliny fampiroboroboana ny Asa (DGPE), Ramatoa RASOATSIANGIZINA Eudoxie no nitondra ny teny fiarahabana sy fanazavana fohy mahakasika ireto antokon’asa ireto . Amin’ny maha-ITLS azy, teo ihany ko any Talé Jeneralin’ny Asa sy ny Lalana Sosialy (DGTLS), Ramatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana sy ireo Talé misahan’andraikitra ato amin’ny MTEFPLS; ireo Talém-paritra, ary ireo avy amin’ny ministera sy sampan-draharaha samihafa.

⏭ Totorebika, Korana sy dihy no namaranan’ireto ICTLS ireto ny fotoana.