Fitsidihina tany Amboasary-Atsimo
Fidinana ifotony nataon’Atoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, tany Amboasary-Atsimo, Faritra Anosy, niaraka tamin’ny ny mpiara-miasa aminy. Izany no natao mba hihainoana sy hijerena ny olan’ny mpiasa eo amin’ny seha-pihariana taretra (sisal).
Nisy ihany koa, nandritra io fotoana io, ny fihaonana tamin’ny tompon’andraikitry ny orin’asa mba hijerena miaraka ny mety ho vahaolana amin’ity raharaha momba ny taretra. Mbola hitohy any an-drenivohitra moa ny fifampiresahana sy ny fijerena ny vahaolana, mba ho tombontsoan’ny mpiasa ao Amboasray-Atsimo sy ny orin’asa maro misehatra amin’io taranja taretra io.





