Ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona

Tontosa teto amin’ny Centre SOAIEGNA Fort-Dauphin, ny 09 sy 10 May 2023, ny atrik’asa « CMEP Part 2 » mahakasika ny fanamafisana ny traik’efa amin’ny ady amin’ny asa fampiasana ankizy eo amin’ny seha-pitrandrahana eladrano na « mica », ao amin’ny Faritra Anosy. Ny Minisitera misahana ny Asa sy ny Lalàna Sosialy no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana.

Ny ONG Pact moa no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa, fa ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy kosa no Minisitera mpiahy sady mandray andraikitra voalohany amin’io ady atao amin’ny fampiasana ankizy io. Etsy andaniny ny fiaraha-miasa amina Minisitera hafa, toy ny Minisiteran’ny Mponina, ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Akoran’afo.

Marihina fa nahitana ny fandraisana anjara avy amina Kaominina miisa 5 ao anatin’ny FaritraAnosy misehatra amin’ny fitrandrahana eladrano ity atrik’asa ity. Araka izany dia hisitraka sy hahazo tombotsoa amin’ny tetik’asa ny Kaominina Fort-Dauphin, Tranomaro, Behara, Ranopiso ary Maromby.

Marihina ihany koa fa nandray anjara tamin’ity atrik’asa ity ireo mpanao gazety avy amin’ny « Réseau des Journalistes Spécialisés en Emploi et Travail (RJSET). Nialohavana fidinana ifotony teo anivona toeram-pitrandrahana miisa 34 ao anatina Kaominina miisa 13 moa ny atrik’asa.

Tanjona ny hampitovy tantana ny fahalalana ananan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny alalan’ny fampitana ireo antotan’isa mahakasika ny asa rehetra vita hatramin’ny fiatombohan’ny tetik’asa. Etsy ankilany ny famaritana ireo asa rehetra mbola hatao sy ireo mpisehatra vaovao voakasiky ny tetik’asa.

Tsara ho fantatra fa vatsian’ny USDOL vola ny tetik’asa. Izany moa dia maharitra 40 volana (2022-Jona 2025). Ny mpisitraka ny tetik’asa kosa dia ankizy miisa 1 800, fianakaviana miisa 850 ao anatina Kaominina miisa 5 ahitana seha-pihariana eladrano.