DINIKA SOSIALY HAMAHANA NY OLAN’NY MPIASA VERY ZO

Mitohy ny dinika sosialy tarihin’ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, RIVOTIANA Jean Bosco, hikatsaham-bahaolana manoloana ny fotoan-tsarotra lalovan’ny zotran-dalamby FCE ao Fianarantsoa. Araka ny fantatra dia efa volana maro no nisedra olana goavana ireo mpiasa ao amin’ity orin’asam-panjakana ity. Ny sasany amin’izy ireo dia tsy mbola nisitraka fisotroan-dronono nandritra ny taona maro, raha toa ka very asa sy fidiram-bola tsy fidiny ny hafa…

🏹 Araka izany dia nisy ny fihaonana teo amin’ireo mpiasa very zo sy ny solontenam-panjakana mahefa notarihin’ny Minisitra RIVOTIANA Jean Bosco, omaly Alatsinainy 27 Marsa tany Fianarantsoa. Tanjona, mazava ho azy, amin’izao dinika sosialy dingana faharoa izao ny famahana ny olana amin’ny fomba haingana sady maharitra. Nampanantena moa ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, tamin’ny dinika santatra natao iray volana lasa izay, fa hanao vaindohan-draharaha ny fikatsaham-bahaolana ho an’ny zotran-dalamby FCE…

Voaporofo izany ezaka sy finiavana handray andraikitra avy amin’ny Minisitra RIVOTIANA Jean Bosco izany, nandritra ity fidinana ifotony tany Fianarantsoa ity. Mba hilazana fa miroso hatrany mankany amin’ny fahitam-bahaolana maharitra amin’ity toe-draharaha ity ny mpisehatra amin’izao fotoana izao. Azo antenaina, araka izany, fa ho tratra atsy ho atsy ny tanjona fampisitrahan-jo ireo mpiasan’ny zotran-dalamby FCE…