ASIEF 2023
MISOKATRA NY FIFANINANANA HO AN’I MATSIATRA AMBONY
Nosokafana omaly Alahady 26 Marsa ny taom-pilalaovana ASIEF 2023 ho an’ny Faritra Matsiatra Ambony. Ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, RIVOTIANA Jean Bosco, no nitarika izany fanokafana amin’ny fomba ofisialy izany tao Fianarantsoa. Tsy vitsy ireo olo-manan-kaja sy solontenam-panjakana nanatrika ity fotoana ity, ary tsy hadino ihany koa ireo mpifaninana isan-tsokajiny avy amin’ny sehatr’asampanjakana isan-tokony…
Noravahana hetsika hafa izay nandraisan’ny mpanatrika anjara ny lanonam-panokafana. Anisan’izany ny hazakazaka izay notarihin’Atoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy. Tao ihany koa ny dihy ara-panatanjahan-tena izay nahasarika ireo mpandray anjara amin’ity fifaninanana ho an’ny mpiasam-panjakana ity.
Tsiahivina hatrany fa natao indrindra ny fifaninanana ASIEF mba hahafahan’ny mpiasam-panjakana mikolokolo ny toe-batana sy toe-pahasalaman’ny tsirairay. Azo ambara fa sehatra iray ahafahan’ny antokon’asampanjakana samihafa mampisongadina ny maha-izy azy ireo ihany koa ity fifaninanana ara-panatanjahan-tena ity. Izany hoe, fanadratana sy fitandrovana ny reharehan’ireo Minisitera sy Andrimpanjakana hafa mpandray anjara isan-taona. Ankoatr’izay dia sehatra famolavolana sy fanamafisana ny firaisan-kinan’ny mpiasam-panjakana ny hetsika tahaka izao…
Marihina fa amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity fa any Toamasina no anaovana ny fifaninanana nasionaly.















