DRTEFPLS/SRSP ANDROY
ATRIK’ASA IFOTONY MOMBA NY FIKIRAKIRANA NY « AUGURE »
Notanterahina ny Zoma 10 mars tao amin’ny efitrano malalakin’ny Faritra ny atrik’asa fanamafisana ny fahaiza-manao (renforcement de capacités) ho an’ireo mpiasam-panjakana mpikirakira ny rindrambaiko « AUGURE » eto amin’ny Faritra Androy.
Nentanina araka izany ireo STD (Services Techniques Déconcentrés) mbola tsy manana ny Login mba hanokatra izany. Ary ny efa manana kosa dia notoroina avy hatrany ny fomba fikarakarana ny antota-taratasy amin’ny alalan’ny « pratique par module ».
Ny Préfet de police ao Ambovombe no nanokatra ny lanonana ary niara-nisalahy hatrany ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy (DRTEFPLS) sy ny Service Régional de la Solde et des Pensions Androy (SRSP).



