FAMELOMA-MASO NY LALAMBY FCE, SY FITSINJOVANA NY MPIASA VERY ZO
Asa fa tsy kabary. Mitohy araka izany ny fitsidiham-paritra ataon’Atoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy, RIVOTIANA Jean Bosco. Natao indrindra moa izany mba hikarohana vahaolana mahomby sady maharitra manoloana ireo olam-piarahamonina isankarazany, izay mety hamparefo na handrava mihitsy aza ny asa fampandrosoana tanterahin’ny Fitondrampanjakana ankehitriny. Androany Alakamisy 2 Marsa dia namita iraka tany Fianarantsoa Atoa Minisitra, ho fanafainganana ny famahana ny olan’ny mpiasan’ny Lalamby zotra FCE. Ity farany moa dia anisan’ireo vakoka mampalaza ny Faritany Fianarantsoa izay kasain’ny Fitondrana hovelomi-maso amin’izao fotoana izao.
Amin’ny maha-mpiahy ny mpiasa ny tenany dia nisolo tena ny Fitondrana Atoa Minisitra RIVOTIANA Jean Bosco fa indrindra ihany koa, tonga nihaino ny hetahetan’ireo mpiasa very tombontsoa izy nandritra ity fotoana ity. Araka ny nambaran’ny solotenan’ny Sendikan’ny mpiasan’ny FCE dia efa monomboka mazava ankehitriny ny lalan-kivoahana amin’ny kirizy niainan’izy nandritra ny fotoana maro. Izany moa dia vokatry ny fifampiresahana tao anatin’ny firahalahiana notarihin’ny Minisitera mpiahy ary nandraisan’ny mpisehatra rehatra anjara.
Marihina fa mifandraika indrindra amin’ny filamatra apetraky ny Minisitra RIVOTIANA Jean Bosco ny fitsidiham-paritra sahala amin’izao. Porofon’ny fanatanterahana ny vinan’ny fanakaikezana ny vahoaka manko izany. Fanantonana vahoaka mba hahafahan’ny Fitondrampanjakana mahazo ny fahatokisan’ny besinimaro, ary mba ahafahany ihany koa manolotra tamberin’andraikitra mendrika sy sahaza ny olom-pirenena.
Notanterahina niaraka tamin’ny Minisitra misahana ny Fitaterana moa ity fidinana ifotony tany Fianarantsoa ity. Tao ihany koa ireo olo-manan-kaja sy manam-pahefana isankarazany izay tonga nanatevin-daharana. Fihaoanana mivantana tamin’ny mpiasan’ny Lalamby FCE no natao tamin’izany mba hikatsahana vahaolana, ka inoana ny hahatrarana ny tanjona iraisana…














