Fambolen-kazo 2023
FIRAISAN-KINA SY FIARAHA-MIENTAN’NY
FIANAKAVIAMBEN’NY MPIASAN’NY MINISITERA
Notanterahina omaly Zoma 3 Marsa ny fambolen-kazo fanao isan-taona eto anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy. Teny amin’ny Kaominina Ampangabe, tahaka ny roa taona nifanesy izay, no nanaovana izany ; mba ilazana ny fanohizana ny asa famelomam-bolo ny tontolo iainana iantsorohan’ny Minisitera ao anatin’ny faritry ny Kaominina. Navitrika tokoa ny fandraisan’anjara avy mpiasan’ny Minisitera nanatontosa ny adidy masina ho an’ny fandrakofana ala indray ny tanindrazana.
Tamin’ny lahateny nataony dia nanantitrantitra Atoa Minisitra RIVOTIANA Jean Bosco fa ilaina indrindra amin’ny fanamafisana ny firaisankinan’ny mpiasa sy ny mpitantana eo anivon’ny Minisitera ny fiaraha-mientana tahaka izao. Sady ahafahana mametraka ihany koa tanjona sy vina vaovao enti-manatsara sy mampivoatra hatrany ny Minisitera mba hahafahany manome tamberin’asa mendrika ny vahoaka.
Raha toa ka hazo 2 000 no nambolena tamin’ny herintaona dia nampiakarina avo roa heny izany tamin’ity indray mitoraka ity. Izany hoe zana-kazo manodidina ny 4 000 no natsatoka tety amin’ny faritra mahazatra omaly. Porofo izany, hoy Atoa Minisitra, fa azo atao sy tanterahina tokoa ny fanatsarana na fanatevenana ny zava-bita eto anivon’ny Minisitera. Tsy voatery iandrasana fampiasana volam-panjakana izany, hoy hatrany izy, fa miankina indrindra indrindra amin’ny fiovana eo amin’ny lafiny toe-tsaina sy fitondran-tena avy amin’ny tsirairay…


































