Minisitra RIVOTIANA Jean Bosco mametraka ho vina ny fanandratana ny hasin’ny Minisitera
Tsy handrava ny efa fa tonga kosa hanohy ny asa natomboka hatrizay, hitondra aina sy ainga vao. Velirano nataon’Andriamatoa RIVOTIANA Jean Bosco, Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, nandritra ny fananganan-tsaina voalohany notarihiny teo anivon’ny Departemanta nampiandraiketin’ny Fitondram-panjakana azy. Fihaonana voalohany tamin’ny fiakaviamben’ny mpiasan’ny Minisitera ihany koa no nataony, omaly Alatsinainy 27 Febroary.
☑️ Araka ny filamatra sy toromarika avy amin’Andriamatoa Minisitra dia mitaky fanovana sy fiovana amin’ny tsirairay ny fanatrarana ny tanjona napetraka. Tsy inona izany fa ny hanandratra avo ny hasin’ny Minisitera eo imason’ny vahoaka sy ny fitantanam-panjakana. Nomarihiny, araka izany, fa olon’ny fisokafana sy fifandraisana marolafy izy ; tahaka izany ihany koa ny eo amin’ny lafiny fanehoan-kevitra tokony ananan’ny tsirairay.
🔶 Ho fanomezam-boninahitra ho an’Andriamatoa Minisitra dia tonga nanotrona azy nandritra ity fotoana ity ireo mpiara-miasa akaiky eo anivon’ny « Staff technique » sy ny Kabinetra politika. Tetsy andaniny kosa ny mpiasan’ny Minisitera izay inoana fa miombon-kevitra tanteraka amin’ny mpitantana vaovao, ka handray anjara feno amin’ny fanatanterahana ny tanjona sy vina voasoritra manomboka izao…













