MTEFPLS

Ny Mpiasa rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy dia miarahaba anao Atoa Minisitra Jean Bosco RIVOTIANA amin’izao nanendrena anao hitantana ny Ministera izao. Faly mandray anao ihany koa tongasoa eto anivon’ny Minisitera.

Maneho ny fahavononana amin’ny fiaraha-miasa rehetra ary mirary ny fahombizana sy ny soa ho anao amin’ny adidy sy andraikitra izay napetraka aminao.