Distrikan’i Lalangina
Fandraisana makotroka ny Minisitry ny Asa, RIVOTIANA Jean Bosco
Fidinana ifotony voalohany nataon’ Andriamatoa RIVOTIANA Jean Bosco, taorian’ny nanendrena azy ho Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy. Ny Asabotsy 25 Febroary lasa teo no nanatanterahana izany teo anivon’ny Distrikan’i Lalangina izay nahavoafidy azy ho Solombavamboakan’i Madagasikara. Vahoaka maro sesehena no tonga nitsena sy nanotrona azy tamin’izany. Anisan’izany ireo tompon’andraikitram-panjakana ambony sy manam-pahefana isan-tsokajiny manefa adidy eo anivon’ny Faritra Matsiatra Ambony.
Voaporofo nandritra izany fotoana izany fa olona akaiky sy tia manakaiky vahoaka ny Minisitra RIVOTIANA Jean Bosco. Izany toetra mendrika izany moa dia anisan’ny tanjon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Indrindra indrindra ho an’ny Minisiteran’ny Asa manokana izay manindrahindra ny atao hoe « Fanjakana manakaiky vahoaka » mba ho fanatanterahana ny Velirano faha-6, « Asa mendrika ho an’ny daholobe ».
Nandritra io fotoana io ihany koa ny nanomezan’ireo Raiamandreny sy olom-baventy avy ao Distrikan’i Lalangina tso-drano an’Andriamatoa Minisitry ny Asa mba hahaleo hahalasana amin’ny adidy sy andraikitra gaovana napetraka aminy. Ho setrin’izany dia nampanantena izy fa hanohy hatrany ireo asa soa na fanasoavam-bahoaka fanaony hatramin’izay ka hatramin’izao.
Androany Alatsinainy 27 Febroary kosa no hihaona sy hitafa mivantana voalohany amin’ny fianakaviamben’ny mpiasan’ny Minisiteran’ny Asa Andriamatoa RIVOTIANA Jean Bosco. Amin’ny alalan’ny fananganana ny sainam-pirenena fanao isaky ny voalohan’ny herinandro no hanatanterahany an’izany. Inoana sy antenaina fa hakotroka tahaka ny tany amin’ny faritra niaviany, ny mihoatra tsy ferana, ny fandraisana azy eto anivon’ny Minisitera…











