Fitantanan-draharaha: Torohay sy torolàlana ho an’ireo Talem-paritra

✅ Fihaonana voalohany, androany Talata 24 Janoary teto amin’ny ivotoeran’ny Minisitera 67Ha, teo amin’ny Sekretera Jeneraly sy ireo Talemparitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asampanjakana ary ny Lalàna Sosialy. Ankoatry ny fifampiarahabana sy ny firarian-tsoa amin’izao taom-baovao izao dia nanatanterahana fivoriana araka asa ny roa tonta.

⏩ Niompana indrindra tamin’ny fitantanan-draharaha eny anivon’ireo Fitaleavamparitry ny Minisitera ny dinika nifanaovana tamin’izany. Ny marimarina kokoa dia nandroso tolo-kevitra ho an’ireo Talemparitra mandalo eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao ny Sekretera Jeneraly. Soson-kevitra izay heverina sy antenaina fa hanatsara sy hampahomby ny fitantan-draharaha eny anivon’ny Faritra tsirairay…