Fitaleavamparitry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy

Fiaraha-miasa mihatsara sy mihavao ho an’ny taona 2023

Notanterahina androany Alatsinainy 23 Janoary teto amin’ny ivotoeran’ny Minisitera foibe 67Ha ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao, teo amin’ny Minisitra Marie Gisèle RANAMPY sy ireo Talemparitry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy misandrahaka manerana ny Nosy.
Ankoatry ny teny firarian-tsoa sy fahombiazana amin’ity taona 2023 ity izay nifanaovan’ny roa tonta dia nanolotra mari-pahatsiarovana ho an-dRamatoa Minisitra ihany koa ireto solontena mafonja avy amin’ny Fitaleavamparitra ireto.
Fotoana ihany koa teto nanomezan’ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy torozotra ho an’ireto tompon’andraikitra ifotony ireto ny hasarobidin’ny tarigetra « Fanjakana manakaiky vahoaka » araka ny vinan’ny Fitondrampanjakana ankehitriny. Izany dia mba hanamafisana hatrany ireo ezaka natao sy dingana vita mankany amin’ny fanatsarana ombam-panavaozana ny fitantanan-draharahampanjakana…