MTEFPLS/CSFOP

Fitohizana sy fihamafisan’ny fiaraha-miasa

Fihaonana voalohany ho fanombohana ny taom-piasana 2023, androany Talata 10 Janoary, teo amin’ny Minisitra misahana ny Asam-panjakana sy ny mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra Ambony momba ny Asam-panjakana na « Conseil Supérieur de la Fonction Publique (CSFOP) ». Notanterahina teto amin’ny efitrano fivoriana izay noravahan’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao ho an’ny roa tonta…

Santatra am-bavarano tokoa no vita nanditra ity fotoana ity. Teto manko no nampahafantarina sy nizarana ny karatra maha-mpikambana ao amin’ity rafi-pitantanam-panjakana ity, izay natolo-dRamatoa Marie Gisèle RANAMPY ho mariky ny fitohizan’ny fiaraha-miasa. Amin’izay lafiny izay indrindra dia voaresaka teto ny momba ny ho Sata vaovao mifehy ny mpiasam-panjakana fantatra amin’ny anarana « Statut Général des Agents Publics (SGAP »).