Minisitra sy ny Kabinetra politika
Fiaraha-miombon’antoka maharitra sady mahomby eo amin’ny Minisitra sy ny Kabinetra politika
Manga hatrany ny lanitra eo amin-dRamatoa Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sôsialy sy ny kabinetra politika. Fahombiazana no azo amin’ny ankapobeny nandritra izay fotoana maharitra niarahan’ny andaniny sy ny ankilany niasa teto anivon’ny Minisitera izay. Ary inoana sy antenaina fatratra fa mbola hihatsara kokoa izany fiaraha-miasa izany mandritra ity taona vaovao 2023 ity.
Androany Alatsinainy 10 Janoary no tonga niarahaba sy nirary soa an-dRamatoa Minisitra ireo mpikambana ao amin’ny kabinetra politika, araka ny fomba amam-panao amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Ankoatry ny fifampiarahabana sy firarian-tsoa nifanaovan’ny roa tonta dia nanolotra mari-pahatsiarovana ho an-dRamatoa Minisitra ny solontenan’ny mpikambana ao amin’ny kabinetra…









