π—™π—œπ—§π—’π—žπ—”π—‘π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—•π—œπ—₯𝗔𝗒𝗑’𝗑𝗬 π—™π—œπ—§π—”π—Ÿπ—˜π—”π—©π—”π— -𝗣𝗔π—₯π—œπ—§π—₯𝗬 𝗑𝗬 π— π—œπ—‘π—œπ—¦π—§π—˜π—₯𝗔𝗑’𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔, 𝗑𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔𝗑𝗔 𝗔𝗦𝗔, 𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔𝗠-π—£π—”π—‘π—π—”π—žπ—”π—‘π—” 𝗔π—₯𝗬 𝗑𝗬 π—Ÿπ—”π—Ÿπ—”π—‘π—” π—¦π—’π—¦π—œπ—”π—Ÿπ—¬

Manakara, 27 novambra 2022.
Laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana ny fampanatonana ny asam-panjakana ho eny anivon’ny vahoaka, izay mifandraika amin’ny velirano faha-3 nataon’ny Filoham-pirenena. Notokanana androany, ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Ministeran’ny Asa sy ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny LalΓ na sosialy.
Toa ireo efa natsangana tany amin’ny faritra maro dia naorina ao Manakara ihany koa ity birao vaovao ity mba hanalΓ na fahasahiranana ny mponina amin’ny fandehanana alavitra rehefa mikarakara taratasim-panjakana. Ankoatra ireo efitrano fiasana samihafa dia manana efitrano natokana hampanaovana fiofanana ihany koa ity Fitaleavam-paritra ity.
Maro ireo birao tahaka ity ao Manakara ity no efa vita sy natsangana manerana an’i Madagasikara toa ny ao Miarinarivo, Sambava, Tolagnaro, Fianarantsoa, Morondava, Maevatanana ary Ambositra.