MTEFPLS – MEF

Fankatoavana ny sata vaovao ho entina hifehy ny mpiasa ampiasain’ny fanjakana.

Notontosaina anio tao amin’ny « Salle de Conférence Immeuble Plan Anosy » ny fankatoavana ny volavolan -dalàna mikasika ny sata hifehezana ny mpiasa ampiasain’ny fanjakana.

Voasolo tena teto avy ireo « syndicats » miaro ny zon’ny mpiasa eny anivon’ny Ministera isan-tsokajiny, teo ihany koa ireo tompon’andraikitra mitantana ny olona eny anivon’ny Ministera, tsy adino ireo teknisiana avy amin’ny ministeran’ny Fitatanam-bola.

Maro ny fanavaozana sy fanatsarana entin’ity volavolan-dalanà ity.

Navitrika ny fandraisan’anjara.

Tsara ny manamarika fa efa maro ny dingana nolalovana vao tonga ny amin’izao fankatoavana izao.