MTEFPLS-MSANP- OPHAM
Ny taona 1952 no nanorenan’’i Pr Albert Rakoto RATSIMAMANGA ny OPHAM na ny (Office Pharmaceutique Malagasy) . Ankehitriny mbola mijoro ary manana ny maha-izy azy izany orinasa izany, manodidina ny 4000 ireo toeram-pivarotam-panafody (Pharmacies) manerana ny Nosy no mikambana ao.
Tonga nankalaza ny faha 70 taona nijoroan’ity orinasa ity ny Minisitra mpiahy mivantana ny fahasalamana Andriamatoa Pr Zely RANDRIAMANANTANY sy ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana, ary ny Làlana Sosialy Ramatoa Gisèle RANAMPY.
Nisy ny Lanonana Fankalaza ny faha 70 taona, ny fitsidihana ireo toerana fitehirizana sy fizarana ny fanafody ary ny fijerena ny toerana iasan’ireo mpiasa ny Zoma 11 Novambra 2022.




















