MTEFPLS – ECOLE PETIT NID
FANKALAZANA NY FAHA 5 TAONAN’NY FAMPIANARANA TENY SINOA (CLASSE CONFUCIUS)
Tonga nanome voninahitra ny hetsika fankalazana ny faha 5 taona nisian’ny fampianarana teny sinoa tao amin’ny sekoly le PETIT NID ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana, ary ny Làlana Sosialy Ramatoa Gisèle RANAMPY sy ny Sekretera miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny Jeneraly GELLE Serge ary ny Ny Ambasadaoron’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina monina sy miasa eto Madagasikara, Ramatoa GUO Xiaomei.
Nanambara Ramatoa minisitra fa « anisany sampan’asa iray na ara-panjakana na eo amin’ny sehatra tsy miankina ny fampianarana, koa miarahaba anareo ao anatin’ny vondrona PETIT NID izahay ato amin’ny ministera misahana ny asa amin’izao fankalazana ny faha 5 taona ny sampana (Classe confucius ) izao. Zava-dehibe izany na teo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Sinoa sy Madagasikara, na teo anivon’ny sehatry ny asa sy ny ho avin’ireo tanora malagasy. Midika izany fa miroborobo ny fiara-miasa amin’ny firenena sinoa , indrindra fa ny lafin’ny fanabeazana ny tanora ka mahavelom-bolo ny fitondrana».












