MADAGASIKARA- FRANTSA
08 Novambra 2022: Nitsidika tamin’ny fomba aram-panajana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana, ary ny Làlana Sosialy Ramatoa Gisèle RANAMPY ny masoivoho vaovaon’ny Repoblika Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guillois.
Nojerena tao anatin’izao fitsidihana izao ny fanatsarana ny tontolon’ny asa, sy ny fampananan’asa ary lafin’ny fihofanana amin’ny fahaiza-manao ho an’ireo Teknisianina malagasy. Voaresaka tao anatin’ity fihaona ity ihany koa ny Fifanakalozana ara-teknika mba ho entina hanatsarana ny lafiny fanovana eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana.






