MTEFPLS – CCI BOENY
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fianianana nataon’ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Biraon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Mahajanga ny Minisitry ny Asa ,ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy Ramatoa Gisèle RANAMPY, sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa,Profesora ASSOUMACOU Elia Béatrice izay minisitra mpiahy mivantana ny faritra Boeny.
Marihina fa miisa 8 ireto mpikambana vavao ao amin’ny CCI Boeny ireto izay tarihin’ny Filohany, Eustratiou Mourad.








