MTEFPLS – DGTLS – OSIEM MAHAJANGA

FITSINJOVANA NY FAHASALAMAN’NY MPIASA SY NY ANKOHONANY
Anisan’ny fanamby napetraky ny fanjakana foibe ny fampiroboroboana ny asa mendrika ho an’ny rehetra. Nisy araka izany ny hetsika fampahafantarana ireo fitaovana vaovao sady hika farany nataon’ny OSIEM tamin’ireo solontenam-panjakana androany 04 Novambra 2022 taty amin’ny faritra Boeny.
Nanambara ny filohan’ity Komity miahy sy mikarakara ny fahasalaman’ireo mpiasa izay mpikambana ao amin’ny OSIEM MAHAJANGA ity fa  » tsy andoavam-bola ny fampiasana izany fitaovana izany ho an’ireo mpiasa rehetra sy ny ankohonany izay mpiakambana ao ».
Tonga nanome voninahitra izao hetsika izao ireo teknisianiana eo anivon’ny Ministeran’ny ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy izay notarihin-dRamatoa Minisitra Gisèle RANAMPY sy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa, Profesora ASSOUMACOU Elia Béatrice mpiahy mivantana ny faritra Boeny ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry aty amin’ny faritra.